Blaogin'i Kheno

« Ny momba ahy | Main

Tananako Antsirabe
2010/02/17,14:50
Malagasy monina sy mipetraka eto Antsirabe ny tenako . Teto no nahalatsahan'ny tavoniko ( nahaterahako ) , mbola teto ihany koa aho no nitombo sy nihalehibe . Teto ny androm-piainako : ny fahazazako mitohy hatramin'ny fahatanorako . Tanana voalaza fa lehibe ary manana ny laharana faha-2 i Antsirabe raha ny filazan'ny maro azy ( 2éme grande ville de Madagascar ) . Toy ny tanana rehetra dia maro ihany koa ireo karazan'olona monina sy mifangaro eto . Malaza ho mahay mandray vahiny koa moa izahay aty . Betsaka ireo toerana izay mana-tantara sy azo tsidihana , saingy ny mampalahelo kely dia tsy misy fikarakarana loatra izy ireny ka zary lasa haolo sy tsy mendrika ny anarany intsony ankehitriny . Iza no omena tsiny ? Ny mpitondra izay mifandimby sa ireo olona mipetraka manamorona sy manakaiky ireny toerana ireny ? Fanontaniana saro-baliana izany satria samy tompon'andraikitra daholo na ny olombelona na ny zava-boahary na ny biby .

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype