Blaogin'i Kheno

Tananako Antsirabe
2010/02/17,14:50
Malagasy monina sy mipetraka eto Antsirabe ny tenako . Teto no nahalatsahan'ny tavoniko ( nahaterahako ) , mbola teto ihany koa aho no nitombo sy nihalehibe . Teto ny androm-piainako : ny fahazazako mitohy hatramin'ny fahatanorako . Tanana voalaza fa lehibe ary manana ny laharana faha-2 i Antsirabe raha ny filazan'ny maro azy ( 2éme grande ville de Madagascar ) . Toy ny tanana rehetra dia maro ihany koa ireo karazan'olona monina sy mifangaro eto . Malaza ho mahay mandray vahiny koa moa izahay aty . Betsaka ireo toerana izay mana-tantara sy azo tsidihana , saingy ny mampalahelo kely dia tsy misy fikarakarana loatra izy ireny ka zary lasa haolo sy tsy mendrika ny anarany intsony ankehitriny . Iza no omena tsiny ? Ny mpitondra izay mifandimby sa ireo olona mipetraka manamorona sy manakaiky ireny toerana ireny ? Fanontaniana saro-baliana izany satria samy tompon'andraikitra daholo na ny olombelona na ny zava-boahary na ny biby .
Ny momba ahy
2010/02/03,17:45

Hafaliana hoa ahy ny manokatra izao Blaogy vaovao izao eto @ serasera.org . Mino sy manatena aho fa ity sehatra iray ity dia ahafahako mamoaka izay mba zavatra noheritreretiko ho zaraina aminareo mpamaky sy mpitsidika eto @ Internet . Nambinintsoa Kheno no anarako . Mipetraka eto Antsirabe . Faritanin'Antananarivo MADAGASIKARA . Tanora lehilahy malagasy , @ izao fotoana izao aho dia 25 taona . Miezaka ny mitady izay mahasoa . Olona tsotsotra ihany aho raha jerena avy ety ivelany . Tsy dia be lamaody araky ny fiteny . Tsy dia be namana ihany koa . Ny mihaino Mozika no tena tiako sy ataoko matetika rehefa avy mianatra , sy rehefa tsy misy atao iny , ka irery ato an-trano .

Inoako fa ianao izay mandray ahy io @ alalan'ny Internet no ho namako voalohany sy akaiky ahy indrindra . Izaho ihany koa dia hiezaka ny hanome izay tsara indrindra ho anao izay mpankafy io . (tohiny)

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype