Hafaliana hoa ahy ny manokatra izao Blaogy vaovao izao eto @ serasera.org . Mino sy manatena aho fa ity sehatra iray ity dia ahafahako mamoaka izay mba zavatra noheritreretiko ho zaraina aminareo mpamaky sy mpitsidika eto @ Internet . Nambinintsoa Kheno no anarako . Mipetraka eto Antsirabe . Faritanin'Antananarivo MADAGASIKARA . Tanora lehilahy malagasy , @ izao fotoana izao aho dia 25 taona . Miezaka ny mitady izay mahasoa . Olona tsotsotra ihany aho raha jerena avy ety ivelany . Tsy dia be lamaody araky ny fiteny . Tsy dia be namana ihany koa . Ny mihaino Mozika no tena tiako sy ataoko matetika rehefa avy mianatra , sy rehefa tsy misy atao iny , ka irery ato an-trano .
Inoako fa ianao izay mandray ahy io @ alalan'ny Internet no ho namako voalohany sy akaiky ahy indrindra . Izaho ihany koa dia hiezaka ny hanome izay tsara indrindra ho anao izay mpankafy io . (tohiny)
| « | Martsa 2011 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||